Valin-tsoa
Tratranay tamin'ny surprise indray i Neny 😍
Na dia avy aza ny orana dia tsy nanakana anay hizara fitiavana sy hitondra hafatra izany 💌
Tampoka taminy ny fietsika nataon-janany ho azy, nihetsi-po kely ery izy ka tsy tanany ny ranomasony 💝
Valin-Tsoa 💐
Valin-tsoa
Andao arahantsika kely indray ny tantaran'izy mirahavavy izay hitanay nipetraka teo ivelan'ny hôpital....
" Efa very fanantenana izahay satria mitsabo nefa ny ara-bola tsy maharaka intsony ka nieritreritra hody satria tsy ampy intsony ny eo am-pelatanana hoy izy ireo".
Sendra nandalo izahay ka nizara fitiavana sy nanome izay voatsirambin'ny tanana ary nitondra fifaliana ho azy ireo 💌
Andao arahantsika anie eh ...
TSY MISY MANANA NY AMPY FA SAMBATRA IZAY MIFANAMPY!
Valin-Tsoa 💐
Valin-tsoa
Ndriii... ilay hafatra, ilay firariantsoa nomen'i Dada 🥺💌
Araho anie fa mamy be ity surprise nataon'i Dadany ho an-janany vavy ity e!!
Mbola hafa tokoa ny manana Dada tia sy manohana tahaka izao 💝
Valin-Tsoa 💐
Valin-tsoa
Hisakafo no nialan'izy mianakavy kely tao an-trano nefa surprise no nitsena an'i zoky vavy tao😍
Iza ihany koa ilay manana zoky fitaratra, mpanoro hevitra, modely, ilay zoky misintona miakatra iny?
Taggueo kely eto izy dia hisaory fa mendrika azy izany 💌
Valin-Tsoa💐
Valin-tsoa
Valin-tsoa ho an'ilay Reny nandalo ady mafy, fa nijoro ho an'ny zanany foana. 🥰
Niezaka naneho fitiavana anay ianao na tsy teo intsony aza i Dada, ka androany anjaranao indray no mifaly 💝
Ho anao ihany koa , araraoty foana izay fotoana ahafahanao mitory fitiavana izay olona tianao 💌
Valin-Tsoa💐
Valin-tsoa
Raha tiana tokoa ny vady dia ny rafozana no tsinjovi- mandeha 💌
Vao tonga teto an-tanindrazana ny vadiny madame dia naneho fitiavana ireo Ray aman-dReniny izy ireo. Nifona, nisaotra, nankasitraka satria nahatsapa ny soa nataon'izy ireo💞
Izao mihintsy no antom-pisianay, hisolo tena, hisolo toerana anareo 💝
Valin-Tsoa💐
Valin-tsoa
Nisafidy manokana nizara fitiavana ireo olona tena sahirana sy mila fampaherezana tany amin'ny hôpital izahay .
Hafaliana, ranomaso, fietseham-po kely no niainan'izy mirahalahy mianaka nahazo fanomezana tampoka 💝.
Hitanay alavitra toa kivy sy miasa saina mafy izy ireo ka nanantonanay, nanontaniana dia hita sy tsapa tamin'ny zavatra nolazainy fa anisany tena mila fanampiana avy aty amin'ny Valin-Tsoa.
Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy 💌
Valin-tsoa
Ny meilleure amie'ny, sœur de cœur 💞 tonga teto Madagascar teto no cadeau ngeza be ho azy😍😭
Tsy nanam-po mihintsy izy hoe ay kay ilay nampitondra hafatra no tonga mivantana teo aminy.🥰
Valin-Tsoa 💐
Valin-tsoa
Ny Cousine anareo koa ve be fitiavana tahaka izao 😍
Na dia misy aza ny elanelan-tany dia tsy mahafoana ny fifanohanana sy fifankatiavana hatramin'izay...
Ary noporofoiny tamin'ity andro manan-danja amin'izy mivady ity fa tsy manadino izy na dia tsy afaka nanatrika aza 💌
Valin-tsoa
Tsy mora ny miaina lavitra ny Ray aman-dReny 🥺.
Mampitombo sy manamafy ny fifankatiavana ihany koa anefa ny elanelan-tany. Kilometatra maro no manasaraka fa tsy mahasakana ilay sombiniaina tsy haneho fitiavana izany 💌
Aza avela handalo fotsiny tokoa ny fotoana tahaka izao, araraoty hatrany rehefa mbola afaka mizara, manome fitiavana ho an'ny olona akaiky anao💞
Valin-Tsoa💐
Valin-tsoa
Nandona ny fon'ny zanany vavy ny hafatr’i Dada sy Neny teto amin'ity surprise ity...🥺
Hafaliana nifangaro fietseham-po kely no niainany sy nandraisany ny anatra sy ny tso-drano nataon’izy ireo 💌
Araho anie eh😍
Valin-tsoa
Nanohana fo kely ity surprisen'izy telo mianaka ity...🥺
Valin-tsoa, izay tokoa no teny nahalaza ny fihetsika nataon'ity zanany vavy ho azy...
Fihetsika kely fa niteraka fiehetseham-po be 💌
Valin-Tsoa💐