16/11/2023
Salama tompoko ô ! ☺️ Androany izahay dia hanazava tsotsotra aminareo ny mombamomba anay, izay ambadik'ity pejy ity.
Mbola kely ny ankabeazantsika vehivavy no efa manonofy, mitsiriritra izany hoe atao mariazy izany. Tsy dia ilay "hanam-bady" loatra anefa no anton'izay, fa ilay faniriana hikarakara fety tonga lafatra : robe parfaite, décoration parfaite, repas parfait, etc... 😂 Azo lazaina ho mbola kely ihany aho anefa tamin'ny fotoana nahafantarako ny vadiko satria 13 taona monja aho tamin'izany. Nanomboka niaraka izahay teo amin'ny faha 14 taonako ary dia niraiki-pitia tokoa 🥰 Ka lasa nitambatra ny faniriana hanambady sy ny hanatanteraka "fety" tonga lafatra 😂 Lasa àry mikaroka erakin'ny internet hoe ahoana sy ahoana ny mpitsompitsony atao rehetra rehefa tonga ny andro malaza (manontany lieux de réception mihitsy hoe ohatrinona kanefa ny tena adolescente). Tonga ny taona 2021, niroso amin'izay izahay ka teo no nanamparako ny faniriako rehetra. Notanterahako avokoa ny nofinofiko rehetra hatrizay : fiançailles & fête en plein air, fleurs naturelles, plan de table sur papiers à motifs fleuris, etc... ary tena nankafiziko ny fikarakarana izany. 26 taona aho ankehitriny ary tapa-kevitra fa hisehatra amin'izany fikarakarana mariazy izany, hanampy ny hafa hanatanteraka ny azy ihany koa, mba ho tonga nofo ny faniriany.
Inona no anton'ilay anarana hoe "Comme le nôtre"?
Satria tianay ho tsapanareo ny fahafaham-po azonay tamin'ny nanaovanay ny mariazinay, amin'ny alalan'ny famerenana izany ho amin'ny anareo : fête en plein air, décoration florale à base de fleurs naturelles, détails en accord avec le cadre, etc. amin'ny vidiny mirary sy mifanaraka aminy !
Koa manasa anareo àry hitafatafa aminay raha toa ka liana e !
📸 sarinay mivady tamin'ny mariazinay tamin'ny taona 2021 ❤️ hitanareo eto ny hatsaran'ilay toerana ;)