21/07/2022
Nandao ny fiainana an-tany omaly 20 jolay 2022 tokony tamin'ny 10ora sy sasany alina teo amin'ny faha 30 taonany ilay mpanakanto manana ny maha azy Rakroots na i Loïc Rakotonirina.
Vao tonga hiala sasatra tao mahajanga ny mpanakanto no nihetsika tampoka ilay aretina izay nitaiza azy efa ela, asthmatique moa izy ary na dia nanao izay faraheriny aza ny mpitsabo tao an-toerana dia indrisy tsy tana ny ainy.
Nanomboka ny taona 2013 i Rakroots no nanokatra pejy vaovao teo amin'ny fiainany dia ny fidirany teo amin'ny tontolon'ny mozika. Nanombohan'ny lazany ilaay lohateny volaohany ary malaza hatramin'izao dia ilay hoe : "Rahafa lasa aho", entin'ny mpankafy maro ahatsiarovana azy indrindra indrindra amin'izao fahalasany izao. Tsy zoviana amin'ny maro indrindra ihany koa ilay hira iray niarahany tamin'i Arione Hot "N'y foko efa lasany any", nameno ny fiainan'ny tanora tokoa.
Izahay eto amin'ny Mondi'all news Dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakaviany, namany sy ny mpankafy azy.
Andry Zo Rakotomalala