05/07/2022
Maro no manafangaro ny atao hoe: manangana orinasa sy ny mi'formalisé entreprise!
Maro ny manoro vohana rehefa misy te hanangana orinasa dia milaza hoe: hoento aty ny dossier dia ho any amin'ny "centre fiscal" sy ny "stat" sy ny EBDM isika...
Dia rehefa vita ny taratasy dia faly ery isika rehefa tenenin'ny olona hoe: arabaina fa nahatsangana orinasa!
TSIA TOMPOKO!
Tsy nahatsangana orinasa ianao fa ni'formalisé entreprise tsy mbola nampidi-bola!
Fa inona no atao hoe orinasa?
Rehefa manana "carte fiscal" ve dia orinasa?
Rehefa manana birao ve dia orinasa?
Rehefa manana mpiasa ve dia orinasa?
Ny atao hoe orinasa dia lamina sy rafitra natao anodinana ny akora amokarana vokatra amin'ny alalan'ny fampiasana vola, olona, fitaovana, akora ary haitao.
Manomboka antsoina hoe orinasa ny rafitra noforoninao rehefa manomboka mamokatra sy mampidi-bola.
Ka inona no mahatonga anao mandoa hetra nefa ianao aza tsy namokatra sady tsy nampidi-bola?
Tokony atao ny mandeha "Centre fiscal" saingy tsy izany mihintsy no lohalaharana, tsy mbola izany no faharoa ary tsy mbola izany no fahatelo...
Manome fotoana anao izahay, ao amin'ny "Le pavé Antaninarenina"...
Tsy tafo no tokony atao voalohany rehefa manamboatra trano.
Inona no mahatonga ny 63% orinasa ho faty ao anatin'ny 3taona voalohany niforonany?
Satria orinasa tsy manana fototra!
Satria nanomboka tamin'ny tafo na nanomboka tamin'ny rindrina!
Inona no tokony atao voalohany? faharoa? fahatelo? mba hahatonga azy mampidi-bola?
Amin'ny 9 Jolay ny fotoanan-tsika amin'ny 9ora maraina...
Misokatra sahady ny réservation ao amin'ny 034 21 706 95 / 034 62 504 71
Ho an'izay hanjifa billet taratasy kosa dia eo Anosy eo ampitan'ny tribonaly no hanjifana izany
Voafetra ny toerana...
Iarahana @ Mr Ratsimba