Lovely Garden MDG

Lovely Garden MDG Partage/ Conseils/ Astuces/ Vente en ligne
(Commerciale ANDRY GARDEN)

🌳 **Azo atao tsara ny manana tanimboly manokana voaravaka voankazo maro samihafa ! 🌿🍎🍊🍑**Ireto avy ary ny karazany misy ...
22/05/2024

🌳 **Azo atao tsara ny manana tanimboly manokana voaravaka voankazo maro samihafa ! 🌿🍎🍊🍑**
Ireto avy ary ny karazany misy ato aminay toy ny:

🍋 **Citronniers:**
- Meyer
- Meyer Sanguine
- Tsomadiro
- Tahiti
- Mexicaine
- Eureka
- Lisbonne
- Combava
- Kumquat
- Marsh Seedless
- Main de Bouddha
- Ujukitsu
- Calamondin
- Calamandin Panaché
- 4 Saisons
- Caviar
- Limequat
- Citrus Lemon

🍊 **Orangers:**
-Tangor
- Hamlin
- Limonade
- Thomson
- Washington
- Salustiana
- Tangelo
- Brickaville
- Valencia
- Orange panaché

🍊 **Mandariniers:**
- Clementine
- Fairchild
- Japonais
- Ambohijafy
- Beauté
- Imamura
- Mihowase
- Yuzu

🍈 **Pomelo:**
- Marsh Seedless
- Star Ruby
- Pamplemousse

🍑 **Prunier:**
- Black Amber
- Paiso Tantely
- Golden Japan
- Gulf Blaze
- Methley
- Reine Claude
- Paiso Mena
- Santa Rosa
- October
- Vickson
- Madecasse
- Apple
- Bilbaque
- Mirabelle
- Amande

🍑 **Pêche:**
- Petakorona
- Culemborg
- Nectarine

🍇 **Autres Fruits:**
- Kaki Chocolat
- Fruit Miracle
- Jaboticaba
- Canistel
- Cerise Cayenne
- Garanadelle
- Raisin Isabella
- Raisin Danlas
- Framboise
- Kiwi
- Kaki Fon'omby
- Kaki Tomate
- Letchi

🌱 **Fenoy Hazo fihinamboa ary ny tanimbolinao mba hananao karazany miavaka amin’ny hafa ary manasa anao hanjifa izany ato aminay. Aza misalasala miditra MP na miantso avy hatrany raha mila fanazavana fanampiny 🌳🍓🍏**

Vidiny manomboka ny 7000ar
☎️0380758612

En cette journée spéciale, nous célébrons toutes les femmes qui apportent beauté, grâce et force dans nos vies. Joyeuse ...
08/03/2024

En cette journée spéciale, nous célébrons toutes les femmes qui apportent beauté, grâce et force dans nos vies. Joyeuse fête à vous, femmes extraordinaires ! Que votre journée soit remplie de joie, d'amour et de splendeur, tout comme nos plantes embellissent nos espaces. 🌷🌿
"

Prêt à démarrer une nouvelle semaine de jardinage ? N'oubliez pas d'arroser vos plantes avec amour et de leur offrir un ...
26/02/2024

Prêt à démarrer une nouvelle semaine de jardinage ? N'oubliez pas d'arroser vos plantes avec amour et de leur offrir un peu de lumière pour qu'elles puissent s'épanouir pleinement ! 🌿💧☀️

🌴Tsiambaratelon’ny zaridaina miroborobo tsara: Aona ny fomba hikarakarana ny voninkazo maniry eny an-jaridaina mba hampa...
22/02/2024

🌴Tsiambaratelon’ny zaridaina miroborobo tsara: Aona ny fomba hikarakarana ny voninkazo maniry eny an-jaridaina mba hampamelana sy hampatsara azy. Na koa hoe « Secrets d'un Jardin Prospère : Comment Prendre Soin de Vos Plantes d'Extérieur pour une Floraison Éblouissante »🌴

Salama eh🥰 elaela isika izay tsy nizara teto @ pejy. Hatramin’izao izahay dia mbola anatin’ny fanomanana zavatra tsara ho anareo fa tena tsy moramora ny manao zavatra😅
Raha « plantes d’intérieur » foana hatramin’izay no noresahintsika teto dia androany isika hiresaka momba ny voninkazo eny an-jaridaina na ny « Plantes extérieurs ».
Zavatra tsotra dia tsotra ny tsiambaratelon’ny fampiroboroboana zaridaina, izay mizara 6.

1️⃣ Misafidiana zavamaniry mifanaraka amin'ny toetr'andro eo an-toerana: ny fisafidianana zavamaniry mifanaraka @ toetr’andro misy eo @ faritra misy ny tanananao dia hiantoka ny fahaveloman'ny voninkazo ambolenao sy hampiroborobo azy ireo ao an-jaridainanao , satria ho tsara kokoa amin'ny toetr'andro eo an-toerana izy ireo. Fa tsy hoe ity ny tiako atao eto dia terena be fotsiny, avy eo maty ilay voninkazo fa tsy nahazaka ny toerana asiana azy dia ilay paysagiste avy eo no omena tsiny😅
2️⃣ Fanondrahana matetika: Tondrahana matetika ny zavamaniry ivelan'ny tranonao, indrindra mandritra ny fotoanan'ny hafanana sy ny hain-tany. Tandremo mila atao ampy ny rano anondrahana amin’izay mando tsara ny tany any ambany, ny fototran’ilay zavamaniry no tena mila tondrahana tsara.
3️⃣Asio « Paillis » hitazomana ny hamandoana: mampiasà « paillis » manodidina ny voninkazo fa manampy @ fitazomana hamandoan’ny tany ireny sady misoroka @ ahi-dratsy. Ny atao hoe « paillis » dia ireny écorce ireny na poti-kazo na ravinkazo efa maina.
4️⃣ Fanomezana sakafo matetika: Omeo zezika matetika izy ireo mba ahazo otrikaina ilaina amin'ny fitomboany. Mampiasà zezika voalanjalanja natao manokana ho an'ny zavamaniry an-jaridaina ary araho ny torolalana izay omen’i paysagiste na izay misoratra @ fonosana.
5️⃣ Fiarovana @ bibikely sy ny aretina: Araho maso akaiky ny voninkazo mba ahafahana mahita ny bibikely na aretina. Raha misy aretina miseho dia mandraisa fepetra mba hifehezana ny fiparitahan’ny bibikely sy hitsaboana an’ilay aretina ho fiarovana ny fahasalaman'ilay zavamaniry.
6️⃣ Fanapahana sy « élagage »: Tapahana rehefa mila hialava izy ireny mba hihazonana ny bikany sy ny habeny tianao, ary koa mba hampitombo azy tsara sy salama. Esory ny sampana maty, simba na marary mba hampitsiry ny tsimoka vaovao.

Raha manaraka an’ireo torohevitra vitsivisty ireo ianao, dia ho hitanao fa ahazo aina, mitombo tsara, ary indrindra ho salama tsara ny voninkazonao eny an-jaridaina. Ireo no miantoka ny hakanton’ny zaridainanao mandritra ny taona🍃

PS: rehefa hanao zaridaina ka mieritreritra ny haka paysagiste dia mila mahay tsara hoe iza no paysagiste afaka atokisana @ fahaizana mametraka hoe inona ny plante mety @ faritra misy anao sy ny toerana ametrahana azy😘
Recommandé-nay anareo: Andry Garden🌳

Misaotra anao namaky hatramin’ny farany❤️
📸sary indrana

Bonne année à tous🎊Que cette année vous apporte bonheur, prospérité et une abondance de verdure dans votre vie. Merci de...
02/01/2024

Bonne année à tous🎊
Que cette année vous apporte bonheur, prospérité et une abondance de verdure dans votre vie. Merci de partager cette passion végétale avec nous. Que chaque plante que vous accueillez chez vous soit une source de joie🌿✨

🌹 𝑷 𝑨 𝑹 𝑻 𝑨 𝑮 𝑬 🌹🍂 𝘓'𝘩𝘢𝘸𝘰𝘳𝘵𝘩𝘪𝘢 : 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 | 𝘗𝘳é𝘴𝘦𝘯𝘵𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘌𝘵 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘵𝘪𝘦𝘯 🍂Salama daholo ve? elaela ...
01/10/2023

🌹 𝑷 𝑨 𝑹 𝑻 𝑨 𝑮 𝑬 🌹

🍂 𝘓'𝘩𝘢𝘸𝘰𝘳𝘵𝘩𝘪𝘢 : 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 | 𝘗𝘳é𝘴𝘦𝘯𝘵𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘌𝘵 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘵𝘪𝘦𝘯 🍂

Salama daholo ve? elaela tsy nizarana teto @ pejy izay😅 ndao indray ary fa hiverina hitondra zavatra tsara ho anareo foana izahay eh💚 Vakio hatramin’ny farany fa mety mahasoa ny plante succulente izay anananao ity fizarana androany ity🪴

Haworthia dia « plante grasse » tsara tarehy, izay manolotra endrika sy loko isan-karazany arakaraka ny karazana. Tsy vitan'ny hoe mora maniry izy ireo fa manome endrika tsara ihany koa rehefa atao anaty pot!

𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐤𝐚𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐲🍃
Ny Haworthia dia ahitana karazany mihoatra ny 150. Ity anarana ity dia fanomezam-boninahitra an'ilay botanista anglisy Adrien Hardy Haworth (1768-1833), « collectionneur ana succulentes » lehibe.
Ireo succulents ireo, dia avy any Afrika Atsimo any, dia mahalana mihoatra ny 10 sm ny haavony fa na izany aza dia tena tsara tarehy.

Ny ankabeazan'ireo karazany ireo dia ahitana misy « rosette de feuilles » indraindray voamarika amin'ny « nervures » na « striées » amin'ny « bande transversale », toa an'i Harworthia attenuata 'Big Band' amin'ny sary faharoa🍀

Ny karazany sasany, toy ny Haworthia arachnoidea, dia manana « feuillage translucide ».
Ho an’ny haworthias, ny raviny no tena mahasarika azy, na dia afaka mamokatra felam-boninkazo fotsy « tubulées » aza ireo succulents ireo.

𝐓𝐨𝐫𝐨𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚🍃
Matetika ny Harworthias dia ambolena ao anaty pot, ao anaty « serre », andavarangana na amin’ny efitra ampy hazavana tsara.
Mila hazavana tokoa ireo zavamaniry ireo nefa matahotra ny tara-masoandro mivantana. Tena tian'izy ireo ny tany « drainé » tsara. Atao anaty pot mivelatra izy ireo, mba ahafahan’izy mitomboto sy mivelatra tsara, ary ataovy azo antoka fa misy lavaka ao ambany mba hahafahan’ny rano mivoaka.
Haworthia dia zavamaniry mety tsara hanaovana terrarium feno « plantes succulente » hafakely.

𝐓𝐨𝐫𝐨𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚🍃
Ny Haworthia dia mila « rempoter-na » isaky ny roa taona eo ho eo. Satria ity zavamaniry ity dia matahotra ny hamandoana be loatra amin'ny fakany, aza adino ny mametraka sosona vatokely na « billes d’argile » amin’ny farany ambany amin’ny pot.
Ampiasao ny substrate ahitana terreau, zezika ary fasika atao mitovy fatra.
Ny fikarakarana mahazatra dia ahitana:
💦tondrahana indray isankerinandro rehefa fahavaratra
💦Avela ho maina tsara ny substrate vao manondraka indray.
💦mandritra ny vanim-potoanan'ny fitomboana dia asiana zezika "succulents spéciale" ny rano hanondrahana azy isaky ny 15 andro.

Raha manaraka ireo torolalana tsotra ireo ianao, dia ho afaka hankafy ny hakanton'ny haworthias anao mandritra ny fotoana maharitra, toy io Haworthia coarctata amin’ny sary faha6 io.

𝐓𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚🍃
Rehefa tsy hatahorana intsony ny fanala, dia azonao atao ny mamindra toerana ny harworthia ho any an-jaridaina na eny amin'ny lavarangana.
Tandremo: ny haworthia dia tsy « rustique » ary tsy mahatanty ny mari-pana ambanin'ny 7°C. Noho izany, aza adino ny mampiditra azy ireo amin'ny ririnina!

Ho famaranana, andeha homarihintsika fa misy karazany miloko mena toy ny Haworthia cooperi 'leightonii' toy ny amin’ny sary farany.

Izay ny fizarana ho an’ny anio🍀 misaotra anao namaky hatramin’ny farany❤️

🪴 𝑃 𝐴 𝑅 𝑇 𝐴 𝐺 𝐸 🪴🍂Inona avy ny zavamaniry ratsy (négatif) tokony tsy apetraka ao an-trano araka ny Feng Shui? Na koa hoe...
26/04/2023

🪴 𝑃 𝐴 𝑅 𝑇 𝐴 𝐺 𝐸 🪴

🍂Inona avy ny zavamaniry ratsy (négatif) tokony tsy apetraka ao an-trano araka ny Feng Shui? Na koa hoe quelles sont les plantes négatives à éviter pour la maison?🍂

Salama e! Elaela isika izay tsy niresaka teto @ pejy. Manomboka miverina tsikelikely @ izay izahay @ izao ka manasa anao hanaraka tsy tapaka ny pejintsika fa mbola betsaka ny soa sy ny tsara noketrehanay ho anareo ho avy eto. Ndao ary🌿 Manasa anao hamaky hatramin’ny farany😊 (Temps de lecture 2min30)

Amin'ny maha zava-manan'aina azy dia manana ny heriny manokana ny zavamaniry. Maro amin'izy ireo no heverina ho mahasoa, ary indraindray aza ohatran’ny « talismans » mba hisarihana fitiavana, fanambinana, fiarovana na vintana tsara. Torak’izany ihany koa, izy ireny dia niharan'ny fanadihadiana tsy tambo isaina mba hianarana bebe kokoa momba ny fananany ara-pitsaboana sy ny toetrany tsy ampoizina. 𝐍𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐳𝐚, 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐯𝐞 𝐢𝐳𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚? Fantaro ato amin'ity lahatsoratra ity hoe inona avy ireo karazana zavamaniry ratsy tokony hialana ao an-trano ary indrindra ny antony.

🍁 𝑳𝑬 𝑩𝑶𝑵𝑺𝑨Ï
Iray amin'ireo zavamaniry nahazo laza tany « occident », tao anatin'ny hetsika « New Age ». Ity karazana zavamaniry ity, izay nihena ny fitomboany, @ fampiasana teknika samihafa avy amin'ny fiaviana Japoney, dia malaza ankehitriny.
Amin’ny « Feng Shui », ny bonsai dia heverina ho iray amin'ireo zavamaniry ratsy tokony esorina amin'ny trano satria niniana notapahana ny fitomboany ara-dalàna. Ara-metaphorika, izany dia maneho ny "faran'ny fiainana", indrindra ara-toekarena, « professionnelles » ary « sentimentales »; noho izany dia tsara kokoa ny tsy manana iray ao an-trano.

🍁 𝑳𝑬 𝑪𝑨𝑪𝑻𝑼𝑺
Amin’ny Feng Shui, dia voasokajy ho karazana ratsy ho an'ny ati-trano izy io satria manintona ny tsy fitoviana ary ny tsilony dia miteraka « mauvaise onde ». Na dia tsy azo apetraka ao an-trano aza izy, dia tsara kosa raha ho an’ny toeram-piasana, satria manamora ny « projection professionnelle ». Raha manana cactus ao an-tranonao ianao, dia afindrao any amin'ny terrasse na ny zaridainanao: afaka miaro ny trano izy io ary manala ny vintana ratsy.

🍁 𝑳𝑬𝑺 𝑷𝑳𝑨𝑵𝑻𝑬𝑺 𝑮𝑹𝑰𝑴𝑷𝑨𝑵𝑻𝑬𝑺
Lazaina ho mahasoa kokoa ny plante grimpantes. Na izany aza, dia tsy tokony atao mandrakotra tanteraka ny rindrin'ny tranonao satria midika « asphyxie économique » izy ireo.

🍁 𝑳𝑨 𝑻𝑹𝑰𝑵𝑰𝑻𝑨𝑰𝑹𝑬 𝑶𝑼 𝑩𝑼𝑮𝑨𝑵𝑽𝑰𝑳𝑳𝑬𝑬
Lazain’ny angano malaza Venezoeliana iray fa ny fisian’ny Buganvillee iray ao an-trano na ao an-jaridaina dia manampy ny fifandirana eo amin’ny mpivady. Noho izany dia iray amin'ireo zavamaniry ratsy tokony hialana amin'ny trano izy ireny.

🍁 𝑳𝑬 𝑷𝑰𝑵
Any amin'ny kolontsaina maro, dia manoro hevitra ny tsy hanana hazo kesika ao an-jaridaina, satria "manamaina" ny vintan’ny fianakaviana hono izy ireny.

‼️Marihana fa tsy misy resaka finoanoam-poana eto fa mba mizara ny zavatra hitanay fotsiny izahay, tsy misy hidiran’ny resaka finoana‼️

Misaotra anao namaky hatramin’ny farany dia aza adino mametraka commentaire sy mi-abonner @ page raha mbola tsy vita❤️

Bon dimanche à tous🌿❤️
23/04/2023

Bon dimanche à tous🌿❤️

🍀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀 🍀⁉️Ireo karazana zavamaniry mahazaka hazavana kely na Plantes tolérant faible lumière⁉️Iaraha-mahala...
20/01/2023

🍀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀 🍀

⁉️Ireo karazana zavamaniry mahazaka hazavana kely na Plantes tolérant faible lumière⁉️

Iaraha-mahalala fa mila hazavana ny zavamaniry mba hiaina sy hitombo araka ny tokony ho izy. Ny karazany sasany anefa dia afaka miaina amin'ny hazavana kely✨

Tsy tokony hanakana anao tsy hankafy ny hatsarana sy ny tombontsoa azo avy amin'ny zavamaniry ny fananana hazavana kely ao an-tranonao. Raha ampy hazavana afaka amakiana boky tsara ny efitranonao, dia afaka misy zavamaniry miaina tsara atao ao anatiny. Toy ny:

🌾 𝑆𝑎𝑛𝑠𝑒𝑣𝑒𝑟𝑖𝑎
🌾 𝑍𝑎𝑚𝑖𝑜𝑐𝑢𝑙𝑐𝑎𝑠 𝑛𝑎 𝑍𝑍
🌾 𝐴𝑔𝑙𝑎𝑜𝑛𝑒𝑚𝑎
🌾 𝑃𝑜𝑡ℎ𝑜𝑠
🌾 𝑅ℎ𝑎𝑝𝑖𝑠
🌾 𝘍𝘰𝘶𝘨è𝘳𝘦𝘴 (𝘯𝘦𝘱𝘩𝘳𝘰𝘭𝘦𝘱𝘴𝘪𝘴, 𝘢𝘴𝘱𝘭𝘦𝘯𝘪𝘶𝘮, 𝘱𝘭𝘢𝘵𝘺𝘤𝘪𝘳𝘪𝘶𝘮)
🌾 𝐷𝑟𝑎𝑐𝑒𝑛𝑎𝑠
🌾 𝐷𝑖𝑒𝑓𝑓𝑒𝑛𝑏𝑎𝑐ℎ𝑖𝑎
🌾 𝐶𝑎𝑙𝑎𝑡ℎ𝑒𝑎𝑠
🌾 𝑃𝑖𝑙𝑒𝑎𝑠 𝑎𝑞𝑢𝑎𝑚𝑎𝑟𝑖𝑛𝑒
🌾 𝐶𝑦𝑐𝑎𝑠
🌾 𝑀𝑎𝑟𝑎𝑛𝑡𝑎
🌾 𝐻𝑒𝑑𝑒𝑟𝑎
🌾 𝐶𝑖𝑠𝑠𝑢𝑠

Tandremo anefa fa mila fanonfrahana manokana ny zavamaniry mahazo hazavana voafetra. Koa satria miadana koakoa ny fitomboany noho ireo zavamaniry izay mahazo tombony mipetraka tandrify ny masoandro tsara, indraindray dia tsy maintsy tondrahana matetika izy ireo mba tsy ho lo. Andraso mandra-maina ny tany vao manondraka indray💦

Ankoatra ny fahasambarana, ny fananana zavamaniry ao an-tranonao dia manampy amin'ny fanadiovana ny rivotra sy ny fanivanana ny vovoka sy ny poti-javatra mety hanimba ny fahasalamanao. Alefa ary fa ataoko angamba fa efa hainao tsara amin’izay hoe iza ny zavamaniry mety atao amin’izay toerana mampety azy ao antranonao ao😊
Mbola misy karazany maro hafa fa ireo aloha ny androany.

Misaotra anao namaky hatramin’ny farany🌸
#2023

Salama e🌸Tratry ny taona 2023🎊Izahay ato amin’ny Lovely Garden MDG dia mirary soa ho anao amin’ity taona vaovao ity. Mir...
17/01/2023

Salama e🌸

Tratry ny taona 2023🎊
Izahay ato amin’ny Lovely Garden MDG dia mirary soa ho anao amin’ity taona vaovao ity. Mirary anao ho lavitry ny aretina fa ho salama lalandava sy ho ela velona❤️

Tahin’Andriamanitra daholo✨
🍀

Après un mois d’absence, on est de retour❤️ alors à bientôt les plantlovers🍀Bon début de semaine à vous✨
28/11/2022

Après un mois d’absence, on est de retour❤️ alors à bientôt les plantlovers🍀

Bon début de semaine à vous✨

12/10/2022

Ho anao izay tsy naharaka ny live an dia ireto avy ny tsaravintana t@ lalaontsika🍀

1️⃣ Nancy Nancy
2️⃣ Kiala pota
3️⃣ Mick's Dalva

Arabaina ianareo🎊
Mbola betsaka ny lalao ho avy an fa mila mazoto manaraka live fa teo zao nisy kilalao surprise nazahoana t-shirt dia i Patricia no nahazo anazy fa izy no nahavaly ny fanontaniana napetraka t@ direct🌹

12/10/2022

Tirage au sort du giveaway🎁

𝐀𝐋𝐒𝐓𝐑𝐎𝐄𝐌𝐄𝐑𝐈𝐀 𝐍𝐀𝐈𝐍 | Dispo de suite | 45.000ArElle symbolise l’amitié de longue durée🌸Photos réelles hatrany.🚛Livraison p...
10/10/2022

𝐀𝐋𝐒𝐓𝐑𝐎𝐄𝐌𝐄𝐑𝐈𝐀 𝐍𝐀𝐈𝐍 | Dispo de suite | 45.000Ar

Elle symbolise l’amitié de longue durée🌸
Photos réelles hatrany.

🚛Livraison possible
📱0347573691
📍Ambohinambo-Talatamaty

Pour un aménagement jardin réussi👌, confiez tous vos projet à un professionnel comme Andry Garden 🌳
10/10/2022

Pour un aménagement jardin réussi👌, confiez tous vos projet à un professionnel comme Andry Garden 🌳

Bon dimanche les plantlovers🍀Aza adino fa @ 12 octobre ho avy izao @ 12ora atoandro ny faran’ilay kilalaontsika an🌹 izay...
09/10/2022

Bon dimanche les plantlovers🍀

Aza adino fa @ 12 octobre ho avy izao @ 12ora atoandro ny faran’ilay kilalaontsika an🌹 izay commentaire tonga aorinan’izay dia tsy manankery intsony.

Photo réelle azalée double mbola tsy alefa aloha😅

𝐋𝐀𝐔𝐑𝐈𝐄𝐑 𝐑𝐎𝐒𝐄  𝐄𝐓  𝐋𝐀𝐔𝐑𝐈𝐄𝐑 𝐑𝐎𝐒𝐄 𝐀 𝐅𝐋𝐄𝐔𝐑𝐒 𝐁𝐋𝐀𝐍𝐂𝐇𝐄𝐒 🌸 | Dispo de suite | 35.000 Ar | 70cmElle symbolise la beauté, la joie ...
08/10/2022

𝐋𝐀𝐔𝐑𝐈𝐄𝐑 𝐑𝐎𝐒𝐄 𝐄𝐓 𝐋𝐀𝐔𝐑𝐈𝐄𝐑 𝐑𝐎𝐒𝐄 𝐀 𝐅𝐋𝐄𝐔𝐑𝐒 𝐁𝐋𝐀𝐍𝐂𝐇𝐄𝐒 🌸 | Dispo de suite | 35.000 Ar | 70cm

Elle symbolise la beauté, la joie et la séduction mais peut aussi désigner une simple amourette❤️
Photos réelles.

🚛 Livraison possible
📱0347573691
📍Ambohinambo Talatamaty

𝐆𝐀𝐑𝐃𝐄𝐍𝐈𝐀  𝐉𝐀𝐒𝐌𝐈𝐍𝐎𝐈𝐃𝐄 aux fleurs blanches immaculées🌸 | Dispo de suite | 15.000 Ar Elle représente l’amour inavoué et la ...
06/10/2022

𝐆𝐀𝐑𝐃𝐄𝐍𝐈𝐀 𝐉𝐀𝐒𝐌𝐈𝐍𝐎𝐈𝐃𝐄 aux fleurs blanches immaculées🌸 | Dispo de suite | 15.000 Ar

Elle représente l’amour inavoué et la timidité, en language des fleurs🌷
Photo réelle.
🚛Livraison possible
📱0347573691

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261347573691

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lovely Garden MDG posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category


Other Florists in Antananarivo

Show All