Maji Mizara

Maji Mizara La clé du succès est en nous
Nous devons réussir !

LESONA MOMBAN'NY FIAINANA Nisy olona iray nanapaka hazo teo amin'ny toerana misy azy, hazo lehibe ary fialokalofan'olona...
24/04/2024

LESONA MOMBAN'NY FIAINANA

Nisy olona iray nanapaka hazo teo amin'ny toerana misy azy, hazo lehibe ary fialokalofan'olona io hazo io. Nony farany dia reraka izy ka natory teo ambanin’io hazo io ihany noho ny alokalokin'ilay hazo.

Inona no lesona azontsika tsoahina amin'izay ?

1. Aza manimba ny zavatra mety hahasoa anao fa lasa fanimbanao ny tenanao izay. Aza mandrora miantsilany.

2. Aza maika handringana olona ; fa mety mbola hilainao izy rahampitso.

3. Aza manao tsinontsinona na manambanimbany olona iray anio, fa mety hanampy anao iny rahampitso.

4. Mieritrereta aloha vao miteny na manao zavatra.

5. Tsarovy mandrakariva ny zavatra kely tsara nataon’olona taminao.

6. Mamindrà fo amin’izay nanafintohina anao, fa mety misy fotoana na indray mandeha mba nisy tsara ihany nataony na hataony aminao.

7. Tsarovy fa tsy misy olona tsy misy ilana azy izany ary tsy misy olona tongalafatra.

Mirary soa ho antsika rehetra 🙏

Maji Mizara

24/04/2024

Ny tena namana dia tsy mifaninana fa mifanohana ary faly amin'ny fahombiazanao

Aleo manao ratsiratsy toy izay tsy manao mihitsy.Aleo manao zavatra amin'ilay lazain'ny mpanakiana hoe: "ratsiratsy", sy...
23/04/2024

Aleo manao ratsiratsy toy izay tsy manao mihitsy.

Aleo manao zavatra amin'ilay lazain'ny mpanakiana hoe: "ratsiratsy", sy lazain'ny olona hoe kelikely, tsotsotra... toy izay tsy manao n'inona n'inona mihitsy.

Aleo mahatsangana trano bongo toy izay tsy mahatsangana n'inona n'inona.

Ny zavatra rehetra mantsy dia miainga amin'ny ratsiratsy, kelikely, tsotsotra vao tonga amin'ny tena tsara ka aza mety kivy amin'ny fanakianana ataon'olona anao fa io zavatra lazain'olona fa kelikely io no ho lasa ngeza raha tsy milavolefona ianao.

Mahomby ianao 🙏

Maji Mizara

Vao mifoha maraina dia ireto no ataovy fahazarana.1. Atombohy amin'ny fankasitrahana.Misy ny tonga dia mivavakaMisy ny m...
22/04/2024

Vao mifoha maraina dia ireto no ataovy fahazarana.

1. Atombohy amin'ny fankasitrahana.
Misy ny tonga dia mivavaka
Misy ny manao meditation.
Fa ny tsy azo atao dia vao mifoha dia efa taraina sahady. Mahaiza mankasitraka fa ny sasany ary tsy tafafoha ohatranao.

2. Mandraisa 30 minitra hamakiana boky.
Tsy betsaka fa na 30 minitra fotsiny raha mbola tsisy fotoana be. Ampy hampitombo ny fahalalanao sy hambolenao fahazarana izay

3. Mamerimberena teny positif 5 farany kely isa-maraina.
Ohatra, sambatra aho, tsisy zavatra mahory ahy, mikoriana hoazy amin'ny fiainako ny vola, mora ny fiainana, vitako izay zavatra kasaiko atao androany.
Mitarika onde positifs ho anao ny fitenenanao izany matetika

4. Maka 20 na 30 minitra mba hampihetsehana vatana.
Mba hampavitrika sy hahatonga anao hanana '' créativités '' izany ka tsy ho sarotra aminao ny tontolo andro avy eo.

5. Ny farany dia hoe raiso naoty ny zavatra hataonao androany ka fantaro hoe inona amin'ity zavatra ataoko androany ity no mety hitondra voka-tsoa be amin'ny fiainako rahampitso? Ka raha mety dia izay zavatra important be no atao.



Maji Mizara

21/04/2024

Tsy misy tsara hafa tsy ny miara-miketrika dia miara-tafita avy eo 🙏

Fantaro aloha ny priorité amin'ny fiainanao Misy olona mitady mpamatsy vola fa tsy manana vola hanombohana projet nefa m...
20/04/2024

Fantaro aloha ny priorité amin'ny fiainanao

Misy olona mitady mpamatsy vola fa tsy manana vola hanombohana projet nefa manana finday novidina maherin’ny 500 000 Ar.
Ny finday no priorité aminao sa ny projet-nao ?
Ianao ihany no mamaly azy !

Misy olona milaza fa tsy manana fotoana hanombohana zavatra mihitsy satria miasa foana nefa rehefa manao facebook dia mandany adiny iray na roa manao j’aime sy kaomantera ary miresaka amin’olona ato fotsiny.

Ny fanaovana facebook no priorité aminao sa ny projet-nao ?
Ianao ihany no mamaly azy !

Misy olona tia miadi-varotra sy miteny lafo be rehefa hividy boky na formation any amin'ny 50 000 ar nefa raha hanao fety dia tsy mitsitsy mihitsy.

Ny fety androany no priorité ho anao sa ny tanjonao ?
Ianao ihany no mamaly azy !

Na inona safidinao dia izao no tsarovy « manana safidy roa isika amin'ny fiainantsika, na isika hitomany androany dia hitsiky rahampitso na hitsiky androany dia hitomany rahampitso ».

Izay no tsy hanarahanao ny fomba fiainan’ny hafa satria mety anatin'ny mitsiky androany hitomany rahampitso izy fa tsy anatin’ny mitomany androany hitsiky rahampitso.

Mahomby ianao 🙏

Mety mimenomenona ianao amin'ny asanao Tsarovy anefa fa misy olona tsy an'asa any ary maniry mba hanana asa toa anao Met...
19/04/2024

Mety mimenomenona ianao amin'ny asanao
Tsarovy anefa fa misy olona tsy an'asa any ary maniry mba hanana asa toa anao

Mety mimenomenona ianao amin'ny tokan-tranonao ; tsarovy anefa fa misy olona tsy manana tokan-trano any maniry mba hanana tokantrano toa anao.

Mety mimenomenona ianao amin'ny Ray aman-dReninao ; dia tsarovy anefa fa misy olona kamboty any.

Mety mimenomenona ianao amin'ny zanakao dia tsarovy fa misy olona momba, tsy miteraka any.

Mety mimenomenona ianao amin'ny fiaranao dia tsarovy fa misy olona reraka ny mandeha tongotra amina kilometres maro any.

- Mifalia amin'izay anananao.
- Ankasitraho izay dingana vitanao.

Ry namana,
Tadidio fa maro ny maniry ny toerana izay misy anao.
Maro no maniry ny hitovy aminao.

Miravoravoa amin'izay misy anao androany fa aza mionona amin'izay misy anao androany.

Maji Mizara

Ny olona manana faharetana ihany no tonga eo amin'ny tanjonyTena toetra manan-danja tokoa ny faharetana mba hanatratrara...
18/04/2024

Ny olona manana faharetana ihany no tonga eo amin'ny tanjony

Tena toetra manan-danja tokoa ny faharetana mba hanatratrarana ny tanjonao.
Tena ilaina ny mijanona ho maharitra sy miasa tsy tapaka amin'izay tianao hotratrarina.

Fa na izany, mila miasa am-pisainana ihany koa fa tsy hiasa handreraka vatana fotsiny.

Noho izany, mitsangàna, mandehana, ary araho amin'ny fahavononana ny nofinao!

Vitanao io, tratranao io tanjonao io !

Maji Mizara

TOROHEVITRA 07 TSARA HO AN'NY VEHIVAVY CÉLIBATAIRES  1.👉 Aza maika hivoaka ny tranon'ny ray aman-dreninao ka handeha han...
17/04/2024

TOROHEVITRA 07 TSARA HO AN'NY VEHIVAVY CÉLIBATAIRES

1.👉 Aza maika hivoaka ny tranon'ny ray aman-dreninao ka handeha hanambady.

Betsaka ny olona tsy mahomby amin'ny fifandraisany noho ny fahamaihana tsotra hanambady. Fantaro fa tsy mitovy ny olona rehetra ; tsy hoe nanadeha nanambady ny namanao dia handeha koa ianao.

2.👉 Aza miandry lehilahy vao manomboka ny fiainanao. Afaka miaina fiainana mahafa-po ianao amin'ny maha-tovovavy anao fa aza ankinina amin'ny lehilahy anefa ny fanatsarana ny fiainanao ka dieny izao dia atombohy.

3.👉 Fadio ny mandany fotoana amin'ny zavatra tsy dia hampivoatra ny fiainanao.
Azonao atao ny mialavoly, miara-mitsangatsangana miaraka amin'ny namana fa kosa lanjalanjao, ataovy lohalaharana ny hoavinao.

4.👉 Miakanjoa mendrika
Zava-dehibe izay satria hitsara anao amin’ny fomba fiakanjonao ny olona alohan’ny hiresahana aminao.

5. 👉Aza atao porofom-pitiavana ny firaisana ara-nofo.
Ny firaisana ara-nofo dia tsy porofon'ny fitiavana. Ny lehilahy mantsy dia izany no mahafaly azy raha vao miaraka aminy ianao fa kosa ny fanaikenao izany haingana dia hahatonga anao ho heveriny fa olona maivana.

6. 👉Aza manambady olona noho ny vola,
Aleo miaraka amin'olona izay tena tia anao toy izay miaraka amin'olona nohon'ny vola forsiny no hahatonga anao hanambady azy. Hijaly amin'izany ianao.

7. 👉Omeo lanja ny tenanao.
Asehoy fa vehivavy maodely ianao, ampiakaro ny valeur-nao.

Maji Mizara

Aza miteny ireto teny ireto raha te hahomby. Misy fomba fiteny ireto izay mampikatso ny fahombiazanao ka esory ao anatin...
16/04/2024

Aza miteny ireto teny ireto raha te hahomby.

Misy fomba fiteny ireto izay mampikatso ny fahombiazanao ka esory ao anatinao manomboka izao ary soloy ny teny eo ambaniny

❎ Efa izao ny anjarako
✅Azoko atao tsara ny mampiova ny fiainako amin'izay tiako.

❎ Ka izahay tsy nandalo fianarana
✅ Afaka mianatra izay zavatra tsy haiko aho ka tsy sakana tsy hampivoatra ahy ny tsy fahitako fianarana tany an-tsekoly.

❎ Efa olona voahozona izahay
✅ Na iza hiteny fa tsy hahomby aho dia tsy hahasakana ahy satria matoky ny tenako sy ny zavatra ataoko aho. Andriamanitra koa eo foana manampy any.

❎ Tena tsy ho ananako izany
✅ Mbola hananako io na lafo be aza fa izao aho mbola mifantoka amin'ny asa hazahoako azy. Azoko io indray andro.

❎ Efa tsy afaka intsony e.
✅ Mahita paik'ady vaovao foana aho mba hialako amin'izao situation-ko izao. Ny maty ihany no tsy afaka mihetsika intsony.

❎ Zanak'olona mahantra izahay
✅ Raha tsisy mpanakarena ny fianakavianay dia izaho no hisantatra azy.

Ny fahombiazana dia avy ao anaty.
Vao miova ny ao anatinao dia hiova koa ny fiainanao ety ivelany ka tsisy tokony hahakivy raha mbola velon'aina.
Andriamanitra manampy foana rehefa hitany ny fiezahanao.

Masina ny teny avoakin'ny vava ka tandremo



Maji Mizara

Tadidio fa : 1 . Tsisy miraraha zany ianao raha mahantra2 . Sarotra aminao ny ho mpanankarena raha miantehitra amin'ny k...
15/04/2024

Tadidio fa :

1 . Tsisy miraraha zany ianao raha mahantra

2 . Sarotra aminao ny ho mpanankarena raha miantehitra amin'ny karama isam-bolana

3 . Ny fiainana tsy hiova izany raha miandry azy hiova ianao fa ianao no mila mandray decision manova azy raha te hahita azy hiova.

4 . Ny fandraharahana dia tsy natao ho an’olona tia fiainana milamina fa raha te hanana fiainana milamina dia ny miasa amin’olona.

6 . Ny vola raisinao dia mifanentana amin'ny fahalalana ao anatinao fa tsy mifanentana amin'ny diplôma anananao

7 . Tsisy olona natokana ho mahantra sy mpanakarena fa safidy daholo ireo na ho mpanankarena na ho mahantra.

8 . Ny fahasambarana dia tsy miankina amin'ny fananana fiarahana na o***asa na vola be fa miankina amin'ny fahaizanao mankafy ny fiainana misy anao.

9 . Aza zatra mampitaha ny fiainanao amin'ny hafa fa mety hamotika anao izany.

10 . Raha manana o***asa ianao dia tsy ny olona mahafantatra izay o***asanao izay no zava-dehibe fa ny olona mampiasa ny produit na tolotra amidinao.

11 . Tsy voatery mila diplôma ianao raha te ho mpanankarena fa fanabeazana ara-bola sy fahasahiana.

12 . Arakaraka ny anaovanao zavatra vaovao no andalovanao échec fa arakaraka ny hamaroan'ny échec nandalovanao no hahitanao ny fiainana fa mora.

Izay fa mirary fahombiazana ho antsika rehetra 🙏



Maji Mizara

NY ZAZA SY NY FITAOVAN-TSERASERA ANKEHITRINY Miara- miombon-kevitra ny mpikaroka maro fa tsy azo ialana intsony ny  tont...
14/04/2024

NY ZAZA SY NY FITAOVAN-TSERASERA ANKEHITRINY

Miara- miombon-kevitra ny mpikaroka maro fa tsy azo ialana intsony ny tontolo ankehitriny misy fitaovan- tserasera .

Manampy amin'ny fampivelarana ny zaza izy ireny , hoy izy ireo , raha toa ka tsy tafahoatra ny fampiasana azy .

Misy fiantraikany ratsy tokoa eo amin'ny zaza ny fijerena tafahoatra fahitalavitra , solosaina , tabilety na finday .

Tahaka izany ohatra ny havizanan'ny saina , ny tsy fahampian- torimaso , ny olana amin'ny fitenenana , ny hakamoana , izay mitarika ihany koa ny fitontonganan'ny fari- pahaizan'ny zaza any an-tsekoly .

Mety azo atao tsara anefa , hoy ny mpikaroka , ny mifehy ny fampiasana ireo fitaovana ireo raha mametraka fepetra momba izany ny ankohonana ao an-tokantrano :

1. Maneho môdely voalohany amin'ny fifehezana ny fampiasana ireo fitaovana ireo ny ray aman-dreny . Ahoana tokoa moa no ahafahana miteny ny zaza raha hitan'izy ireo mampiasa finday foana ny olon-dehibe ao an-trano ?

2. Mametra ireo fotoana izay tsy tokony hijerena fahitalavitra , finday na tabilety . Ohatra mandritra ny fotoam- pisakafoanana , ary koa ny ora efa tokony hatoriana amin'ny alina .

3. Manao fanamby ny ankohonana hifidy takariva iray ao anatin'ny herinandro tsy hijerena fitaovan-tserasera . Ohatra : isaky ny Alatsinainy izay fanombohan'ny andro fianarana .

Ao an-tokantrano no tokony hanomboka ny fanabeazana sy ny fifampifehezana . Ilain'ny ankohonana ihany koa ny manamafy o***a ny fifandraisana ao an-tokantrano , ka mba tsy ho fitaovana hampisaraka ny mpianakavy indray ireo fitaovana ara - teknôlôjia .


Maji Mizara

Dia hampitaha ny tenanao amin'ny hafa foana ve?Mahita ny hafa misondrotra dia hoe: "raha mba 'zaho mantsy no eo amin'ny ...
13/04/2024

Dia hampitaha ny tenanao amin'ny hafa foana ve?

Mahita ny hafa misondrotra dia hoe: "raha mba 'zaho mantsy no eo amin'ny toeran'iny a...", "raha mba mahay be ohatran'iny aho mantsy...", sns...

Aok'izay fa tadidio hoe: "Tu es unique❤". Tena olona miavaka ianao, tsy maintsy mahomby, afaka manantanteraka ny fanirianao rehetra ianao fa miankina amin'ny ezaka izay ataonao anefa. Maniria mihoatra nohon'ny hafa fa tsy hoe sanatria mitovy amin'ny hafa. Tsy maninona na solafaka kely aza satria ny eny atsefatsefany eny tsy maintsy misy obstacles kely foana, fa mila mandroso hatrany.

Manàna stratégie ho an'ny tenanao manokana, manana vision ho anao manokana. Raha misy manakivy anao ny hafa dia tadidio hoe: "tsy maintsy mahomby ianao, misy valiny foana io ezaka io". Ny fahakiviana tsy maintsy misy fa na ireny olona tsiriritinao ireny aza mety mandalo olana fa tsy misaotra amin'ny endriny fotsiny.

Afaka manantanteraka zavatra tsara be ianao❤. Miankina aminao daholo anefa ny zavatra rehetra, saingy mila manana patience, mila fahazotoana, mila mahay mampiasa saina. Tadidio hoe: "Miavaka ianao, mafy ianao, ary tsy maintsy misy valiny ny ezaka ataonao , tadidio fa tsy maintsy tonga amin'ny fanirianao ianao"

Sahia manomboka, tratraro izay fanirinao dia aza adino hoe: "Na inona mety sedra holalovana, mila mitraka dia mandroso foana"💖


Maji Mizara

Idées de business afaka ataon'ny mpianatra sy ny mpiasa Mpianatra ve ianao ; mitady business hatao ? Na  mpiasa ihany ko...
12/04/2024

Idées de business afaka ataon'ny mpianatra sy ny mpiasa

Mpianatra ve ianao ; mitady business hatao ?
Na mpiasa ihany koa mitady Business hampitomboana ny fidiram-bola?

Ireto misy idées kely zaraiko aminao

Idée 1 : Affiliation
Ny affiliation dia asa fitadiavana client. Ohatra misy olona mivarotra zavatra ato aminy Facebook na any ivelany dia ampianao izy mitady client dia mahazo Commission amin'izay asa izay ianao. Mety mahazo Commission hatrany aminy 25 % any mihitsy

Idée 2: Mivarotra fahalalalna.
Raha misy zavatra hainao dia afaka amidinao en ligne izany ; ohatra manana fahalalana momban'ny fiompiana, fambolena, fikarakarana vatana ianao dia afaka mivarotra izany satria maro ny olona mila izany

Idée 3 : Manoratra boky
Raha misy zavatra hainao mampiavaka anao dia afaka havadikao boky dia mahazo vola ianao. Ohatra mahay mampifaly olona ianao , mahay mikabary , mahay fitenim-pirenena hafa sns...
Izay zavatra hainao rehetra dia afaka havadika boky satria maro ny olona mila iny zavatra hainao iny

Idée 4. Copy writing
Ny copy writing dia fanoratana article toy izao vakinareo izao. Lafo ny karaman'olona manoratra article mitovy amin' zao ataoko izao. Mety azahoanao 300 000 hatraminy 1 000 000 ar any nefa afaka manana client maro ianao.

Idée 5 : influenceur
Ny influenceur dia olona manana mpanaraka be amin'ny tambazotra ka misintona olona hividy zavatra. Ohatra rehefa manana mpanaraka betsaka ianao dia ny o***asa mihitsy no miantso anao mba hiara-hiasa aminy.
Mety azahoanao 500 000 ar hatraminy 10 000 000 Ar isam-bolana any io nefa tsy voatery miasa be

Ireo idees de business nomeko anao ireo dia tsy mila vola be izany daholo raha toa ka efa hainao ilay asa.

Anisany mahatsara ireo idées ireo dia afaka atao any an-trano no sady afaka manao voyage ianao no miasa

TOROHEVITRA KELY HO AN'NY TANORA 1. Tsy afaka ny hivoatra ianao raha mbola tolorana foana, mbola fahanana foana fa tsy m...
11/04/2024

TOROHEVITRA KELY HO AN'NY TANORA

1. Tsy afaka ny hivoatra ianao raha mbola tolorana foana, mbola fahanana foana fa tsy mba hikaroka amin'izay.

2. Mihetseha, mametraha tanjona mazava ary manaova dingana mba hanatratrarana izany.

3. Aza miandry lova avy amin'ny Ray aman-dReny zany fa miketreha mba hametrahanao lova ho an'ny fara mandimby anao. Mivonona hiady sy hiatrika olana.

4. Esory ny hakiviana, fadio ny milavo lefona na mafy ny ady atrehina ary manana faharetana.

5. Ialao ny namana ratsy fitondran-tena sy manana fisainana négatif sao hanimba anao.

6. Mahaiza kosa mankasitraka ireo olona manampy anao sy nisintona anao hiakatra ka nahatonga anao hivoatra tsikelikely amin'ny fiainanao.

7. Tsarovy fa vitsy ny olona maniry anao ho tafita izany, ny hamingana anao aza no hataon'ny sasany, fa mila mitandrina, fidifidio ihany ny zavatra ho tantaraina amin'ny olona sy ny olona hitantarana zavatra.

Manaova zavatra tsara sy manaraka ny norme foana ary ary araho vavaka foana.
Tsy izay tian'olona no atao fa izay mety sy manaraka ny norme.

Maji Mizara

Aza hadino  ity :1. Aza matoky olona 100 % Na dia miezaka maka ny fahatokisanao aza izy dia fadio ny hatoky azy 100 % sa...
10/04/2024

Aza hadino ity :

1. Aza matoky olona 100 %
Na dia miezaka maka ny fahatokisanao aza izy dia fadio ny hatoky azy 100 % satria ny olona mora mivadika.

2. Aza mitia olona 100 %
Na dia tianao be aza izy dia miezaha foana mitazona ny fitiavanao ao anatinao ao fa tsy izy rehetra. Misy olona tsy fantatrao mihitsy ny tena tanjony ka tsara raha mailo foana.

3. Aza tia milaza ny tsiambaratelonao rehetra.
Na namanao na olotianao dia tsy ny tsiambaratelo rehetra no lazaina olona. Ny namana androany no mety ho fahavalo rahampitso ka izay tsara ho fantan'ny hafa ihany no lazaina aminy sao mora aminy ny mamono anao rahampitso raha fantany daholo ny zavatra rehetra.

Maji Mizara

Manana torohevitra 3 lehibe ho anao aho 1. Aza tia mitantara loatra ny fiainan-tokatranonao amin'olona ivelany.Tsy ny ol...
09/04/2024

Manana torohevitra 3 lehibe ho anao aho

1. Aza tia mitantara loatra ny fiainan-tokatranonao amin'olona ivelany.

Tsy ny olona rehetra no faly mahita anareo milamina fa misy ary dia faly mihitsy mahita ny tokantranonareo tsy milamina.
Miezaha foana mifampiresaka , miezaha foana mifandamina fa tsy hoe isakin'ny tsy milamina kely dia lasa koa hanantona olona amin'ny manodidina hoe izao indray ny zavatra mampiady anay.

Ny olona rehetra dia samy manana ny olany daholo fa indrindra raha ara-tokantrano fa tsy aderadera fa asitrika satria manambara tsy fahamatorana izany.

2. Aza tia miditra amin'ny adin'ny mpivady.
Na misy namanao na zanakao nitantara ny adin'izy roa mivady aminao dia mangalà sisiny fa aza miditra.
Raha ianao hiditra amin'ny adin'izy roa dia mety hamoaka teny tsy voahevitra ianao , mety hamoaka tsiambaratelo , mety hamoaka teny maharary nefa izy roa hariva iray fandriana sy mifandangolango ihany ka ianao indray no menatra namoaka teny tsy voahevitra.

Azo atao ny miresaka moramora ny anao fa ny andrtsiratsy ny anakiray tsy mety satria mbola hifanaraka iany zareo.

3. Aza mampindrana vola olona raha mbola ilainao iny vola iny
Raha mbola vola ilainao , raha mbola vola tsy foinao homena olona dia aza ampindramina namana na fianakaviana. Fa indrindra raha olona mbola tianao hihavana aminao fa matetika io fitakiana io trosa io no maharava fihavanana amin'ny mpinamana sy fianakaviana.

Afaka manome ianao raha misy fa vola foinao homena azy no omena eny na dia milaza fa hamerina aza izy satria ny olona raha hindrana dia mahay miteny fa raha hamerina dia mahita fika masiso.

Maji Mizara

Fomba firesaka mahomby amin'ny ankizyAnisan'ireo mampiavaka ny fifandraisana miabo ny fanaovana resaka tsy misy herisetr...
08/04/2024

Fomba firesaka mahomby amin'ny ankizy

Anisan'ireo mampiavaka ny fifandraisana miabo ny fanaovana resaka tsy misy herisetra .

Ny fiteny misy herisetra toy ny fanambaniana, ny fanevatevana, ny tsikera lava, ny fitsaratsarana mialoha, ny fandrahonana, ny esoeso, dia mankarary fo no sady manimba fihavanana .

Azontsika atao ny manandrana mampihatra ireto fomba firesaka ireto, indrindra amin'ny fifandraisantsika amin'ny zanatsika :

1. Ny olana sy ny vahaolana no resahina fa tsy ny ankizy no ventesina : amin'ny ankapobeny dia tsy mahazaka tenenina amin'ny zavatra tsy mety ataony ny olona. Mahomby kokoa noho izany raha ny zavatra tsy mety sy ny vahaolana no asongadina, fa tsy ilay olona no kianina.

Ohatra : Raha te hiteny hiteny ianao hoe : "Adinonao foana ny manidy paompy ; jereonao fa very fotsiny ny rano ! ".

Dia mety ho tsara kokoa ny miteny hoe :
" E ! Hidio ny paompy, fa very fotsiny ny rano ! "

2. Ny fihetseham-ponao tenenina, fa tsy ny ankizy no kianina : mifandray amin'ilay tetsy aloha ihany izy ity . Ny fanampiny : mora liana amin'ny filazana fihetseham-po ny olombelona, indrindra fa ny ankizy .

Ohatra : Raha te hiteny ianao hoe : " Ianao dia zaza tsy mahalala fomba, tapahinao ny teniko rehefa miresaka aho ! ".

Aleo miteny hoe : " Malahelo mihitsy aho rehefa tapahina ny teniko ! ".

3. Aoka hanao teny fohy fa tsy hiresaka be isika : tsy tia teny lava sy fanazavana lavareny ny ankizy. Tsy voarainy rahateo ny ankamaroan' izy ireny .

Ohatra : " Fa mandeha aiza ny lohanao e ? Handeha hianatra ianao, kanefa adinonao indray ny kahienao. Mbola hovidianao lafo io fanadinoanao io indray andro any ! ".

Aleo miteny fotsiny hoe : " E ! Ny kahienao, adino ! "

Mety mahita fomba firesaka hafa ihany koa ianao. Rehefa miresaka isika dia hampahomby ny teny ataontsika amin'ny ankohonantsika ny fomba fampitan- kafatra tahaka ireny .



Maji Mizara

Ny fifehezan-tena no fanalahidin'ny fahombiazana!Ny fitsipi-pifehezana no hahatonga ny fiainanao hihatsara kokoa ary ham...
07/04/2024

Ny fifehezan-tena no fanalahidin'ny fahombiazana!

Ny fitsipi-pifehezana no hahatonga ny fiainanao hihatsara kokoa ary hampandroso anao.

Aza gaga ianao raha misy projet tianao hatao nefa tsy mety tanteraka foana, satria maninona ?
Ianao tsy mametraka discipline,

- Satria raha vao mandray karama dia tonga dia mandany vola amin'ny zavatra passifs.
- Zavatra handany vola fa tsy hampidi-bola,
Mandany vola any amin'ny revy, sns.
- Raha vao mahazo vola dia manenjika vehivavy eran'ny ny tanàna.

Raha ianao tsy mety mahatafatsangana projet mihitsy nefa manana vola dia tsy motivation no tsy ampy aminao fa ny fifehezan-tena

Amboary ny fitsipi-pifehezana amin'ny tenanao, mba hampandroso ny fiainanao.

Ny vokatra dia avy amin'ny ezaka ataonao ihany.
Tsy mora no hahatongavana amin'izany fahombiazana izany, matetika dia mitaky fanoloran-tena, ezaka, fiaretana.

Ry namana, manana fifehezan-tena raha te hahomby !

Maji Mizara

Fahadisoana be fanaon'olona tafitaAnisany toetsaina mampalahelo ity toetsaina ity.Vao tafita amin'ny tanjona dia lasa mi...
06/04/2024

Fahadisoana be fanaon'olona tafita

Anisany toetsaina mampalahelo ity toetsaina ity.

Vao tafita amin'ny tanjona dia lasa misolo vady
Vao lasa manam-bola dia lasa manao sipa maro.
Vao lasa tafatafa kely dia tsy tia ny ao antrano fa mitady hafa any ivelany.

Fa nahoana e ?
Io vadinao io anie no nanana toetsaina tsara, toetsaina mafy nahatonga anareo tafita e!

Tsy hatsaram-bika na haratsiana anie no nahatonga anareo nivoatra fa noho ny toetsain'io vadinao io e!

Fa maninona ny vady no soloana raha tafa nefa izy no teo niaraka taminao, taminao mbola nijaly?

Rehefa manam-bola dia maninona raha izay hahatsara azy no atao?
Lasa tsara anie io raha tsara karakara e!

Rehefa manambola dia maninona raha fiara no vidina ho anareo roa?

Rehefa tafa dia mba maninona raha ny vady aman-janaka ao an-tokatrano no andaniana ny vola mba valin'ny ady mafy hatramin'izay?

Maninona raha mba entina mitsangatsangana any amin'ny firenena hafa izy raha be ny vola mba sady tantara mamy ho anareo roa fa tsy lanina amin'ny vehivavy any ambadika?

Tandremo fa mety hampitsimbadika ny fiainanao izay tsy fahaizana miaina izay rehefa tafita izay a.

Efa nahita mihintsy aho. Rehefa tafa izy dia nitady vady tsara tarehy sy tsara vatana ralehilahy. Avy eo nataony ravehivavy fihinanana fotsiny ka lany tsikelikely dia rava avy eo ny fiarahana.

Averiko foana raha misy olona nahavita niaritra ny tsy fisianao ka vonona ny niaraka nivoatra taminao dia nanana vintana ianao zay satria 1 amin'ny 100 izany.

Maji Mizara

Tena tsy mora ny mitady asa a, fa izao ;1 . Rehefa mitady asa dia aza mifantoka amin'ny diplaoma. Betsaka ny asa tokony ...
05/04/2024

Tena tsy mora ny mitady asa a, fa izao ;

1 . Rehefa mitady asa dia aza mifantoka amin'ny diplaoma. Betsaka ny asa tokony hatao fa ny ankamaroan’ny tanora tsisy asa dia noho izy tsy miasa raha tsy asa mifanaraka amin'ny fianarana nataony.

Tadidio fa eto madagascar isika.
Tsy miteny aho hoe impossible ny hahitanao asa mifanaraka amin'ny diplaomanao fa sarotra ka manaova toy ny olona tsisy diplaoma, tsy mifidy fa atao izay hita eo dia eo indray vao mitady ny tsaratsara kokoa.

2 . Aza miavona karama
Tsy voatery hahita ny karama izay tadiavinao ianao fa ataovy aloha na karama kely.

Ohatrizany ny fanombohana amin'ny fiainana.
Tsy mifidy asa fa atao aloha izay misy mba hahafahanao miantoka na ny fandanianao fotsiny aloha sady mba hianarana mitantana koa.

3 . Mampiasà compte matotra raha hampiasa ny facebook hitadiavana asa.
Efa betsaka ny mpampiasa mitady ny olona hataony mpiasa ato amin'ny facebook.

Tsisy olona hanana fahatokisana anao mihitsy anefa raha ny compte-nao tsy matotra toy ny :
Anarana gyal charmante, princesse tsy haiko ( misy ny anarana tsy hay vakina )
Feno partage zavatra tsy matotra ao anatiny
Ny sary manambara tsy fahamatorana

Ataovy matotra fa io no hahafantarana anao voalohany hoe olona ohatran'ny ahoana ianao.

Maji Mizara

Karakarao tsara aloha ny tenanao mba hahafahanao mikarakara ny ankohonanao . Kolokoloy tsara aloha ny fo sy ny fanahinao...
04/04/2024

Karakarao tsara aloha ny tenanao mba hahafahanao mikarakara ny ankohonanao . Kolokoloy tsara aloha ny fo sy ny fanahinao mba hahafahanao mikolo ny zanakao .

Misy fiantraikany eo amin'ny fanabeazanao ny zanakao mantsy ny fahasalamanao , ny fihetseham-po sy ny toe- tsainao .

Raha vao reraka ianao ohatra , tsy ampy torimaso , mirotoroto lava , dia mora kizitina , mora misendaotra . Misy koa ireo karazan- tsakafo sy fisotro misy alikaola mahatonga firehetam- po .

Dia tsy ho voafehinao ny fihetsika sy ny teny aloaky ny vavanao amin'izay . Tsy hahita ny lafiny tsara eo amin'ny zanakao intsony ianao ; ho sahirana ihany koa izy ireo amin'ny fifandraisana aminao .

Tsarovy anefa fa ny fanabeazana dia tsy inona fa resaka fifandraisana . Tsy afaka hanao sarimihetsika amin'ny fanabeazana isika . Ny maha-ianao anao ihany no ifandraisanao amin'ny zanakao .



Maji Mizara

Mampahantra ny miaina fiainan'olona1. Ampianaro amin'ny sekoly zakanao ny zanakao. Tsy ny sekoly  lafo no hahafantarana ...
03/04/2024

Mampahantra ny miaina fiainan'olona

1. Ampianaro amin'ny sekoly zakanao ny zanakao. Tsy ny sekoly lafo no hahafantarana fa ho lasa lavitra ny zanakao. Misy ny zanak'olona nianatra tamin'ny sekoly ambany fa tafita.

2. Manofà trano amin'izay zakanao aloha
Aza mipetraka amin'ny trano raha mampitaintaina anao ny vola handoavana ny hofany. Aleo amin'ny trano ambany hofany amin'izay tsy hifampilefa raha tonga ny faran'ny volana.

3 . Iaino ny fiainanao fa aza mangalatahaka ny an'ny hafa raha mbola tsy manana fahafahana mitovy aminy.
Samy manana ny fidiram-bolany ianareo ka tsy tokony hitovy ny fandaniana ary samy manana ny tanjony.

Arafeto tsara ny drafitra tianao hitondranao ny fiainanao dia manangona vola ary ampiasao avy eo.

Maji Mizara

AZA ATAKALO OLONA MANDALO ILAY EFA NIARA NIAFY TAMINAO Maro ny olona tsara bika tsara endrika sy tsara fitafy. Manintona...
03/04/2024

AZA ATAKALO OLONA MANDALO ILAY EFA NIARA NIAFY TAMINAO

Maro ny olona tsara bika tsara endrika sy tsara fitafy. Manintona ny maso mihitsy ny mijery azy.

Fa hafa ihany ilay olona efa niara niaritra ny mamy sy mangidy taminao.
Hafa ihany ilay olona mahavita mikarakara sy manampy anao amin'ny fotoana rehetra.
Hafa ihany ilay olona niara niady sy niara nikatsaka ny soa sy ny tsara hatramin'izay.

Aza sodokan'ny tsiky indray miserana hitanao androany.
Mety mandalo fotsiny ihany iny fa tsy haharitra akory!
Hafa ihany ilay olona efa nifankazatra toetra taminao hatramin'izay.
Hafa ihany ilay olona nahavita niaritra ny ditra sy ny adalanao hatrami'izay.
Hafa ihany ilay olona efa nahafoy ny fotoanany ho anao hatramin'izay.

Raha hitanao fa misy mendrika any ho any manaitra ny masonao dia karakarao izay eo am-pelatananao ataovy izay hahatsara azy fa aza atakalo olona mandalo ilay efa niara niafy taminao hatramin'izay.

Mirary soa hatrany ho an'ny mpanaraka ny page dia zarao raha tianao

Maji Mizara

ATAOVY FAHAZARANA IRETO FA METY HAMPIOVA NY FIAINANAONinona n'inona misy anao izao dia tadidio foana fa vokatry ny fahaz...
02/04/2024

ATAOVY FAHAZARANA IRETO FA METY HAMPIOVA NY FIAINANAO

Ninona n'inona misy anao izao dia tadidio foana fa vokatry ny fahazaranao omaly ianao. Ka raha te hiova dia mila manova fahazarana fa mila fantatra koa anefa ny fahazarana hoe mitondra mankaiza ?

Mba hanampy anao ary dia misy torohevitra tsara arahinao ireto :

☑️ Mizàra misotro rano vao mifoha ny maraina.
Raha mety dia aleo mihintsy ilay rano mangatsiaka iny mba hampamandina ny vatana.

☑️ Mizàra mampihetsika vatana isa-maraina.
Tsy voatery ho ela fa na 10 minitra isanandro aza dia efa hampiova ny vatanao sy ny fahasalamanao.

☑️ Mizàra mandro isa-maraina
Raha mahazaka dia rano mangatsiaka fa raha tena tsy mety aminao dia ataovy matimaty fa ilay mafana be tsy dia tsara ho an'ny fahasalamana. Fa ny zava-dehibe koa dia ianao mila madio mialohan'ny hiasa.

☑️ Mizàra manadio nify foana.
Na avy nisakafo na hiala ny trano dia tsara raha madio foana ny nify mba hanajanao ny tenanao sy ny hafa rehefa sendra miresaka amin’olona.

☑️ Mizàra mihaino livre audio.
Manàna tanjona mba mihaino livre audio ireny raha tsy misy fotoana na iray isan-kerinandro aza. Na ny fotoana laninao anaty taxi-be dia efa ahaizanao zavatra betsaka.

☑️ Mizàra manaraka emission mampivoatra ireny.
Na amin'ny fahitalavitra na amin'ny facebook dia misy izay emission izay.

☑️ Mizàra foana mametraka tahiry isakin'ny mahazo vola.
Tsy voatery vola be fa na dia kely aza fa ilay fahazarana no tena zava-dehibe na dia somary sarotra aza amin'ny voalohany.

☑️ Mialohan'ny hitsaranao olona iray dia mizàra aloha mba mipetraka eo amin'ny toerany.

☑️ Ezaho foana mba teny mampiakatra ny fahavitrihana no aloakin'ny vava fa tsy ireny teny mampalemy ireny foana.

Izay no azoko ambara fa raha mbola mahita hafa ianao dia alefaso ao amin'ny kaomantera fa aza hadino fa ny zavatra ataonao tsikelikely lasa fahazarana no hanome vokatra ho anao.

Averiko ihany, ny fiainanao izao dia vokatrin'ny fahazaranao omaly.

Anao sisa ....



Maji Mizara

31/03/2024

Joyeux pâque à tous

Raha ireto zavatra efatra ireto no atao fahazarana: 1. Mihaino tsara izay olona  miteny ,2. Manaja tsara izay olona mane...
31/03/2024

Raha ireto zavatra efatra ireto no atao fahazarana:
1. Mihaino tsara izay olona miteny ,
2. Manaja tsara izay olona maneho hevitra ,
3. Mieritreritra tsara aloha vao miteny ,
4. Miteny mazava amim- pilaminana ,

Dia tsy hisy loatra ny fifandirana hitranga ; ho maro ny herisetra ho voasoroka ; ho maro ny fisarahana tsy ho tanteraka ; ho maro ny fo tsy harary ; ho maro ny tokantrano hio***a tsara .
Tsy dia hisy loatra ny nenina handatsa aty afara.

Maji Mizara

Antony iray hatonga anao tsy hahita fandrosoana amin'ny fiainanao dia ny tsy fifantohana amin'ny anao fa variana amin'ny...
30/03/2024

Antony iray hatonga anao tsy hahita fandrosoana amin'ny fiainanao dia ny tsy fifantohana amin'ny anao fa variana amin'ny an'ny hafa.

Variana mijery sy manaraka ny fiaina'ny hafa.
Variana mitsikera ny hadisoan'ny hafa
Variana mijery ny fahombiazan'ny hafa.

Maninona ireny fotoana laninao amin'ny fitsikerana ny fiainan'olona ireny raha mba ampiasainao hianarana zavatra vaovao na hamoronana zavatra vaovao hampivoatra ny fiainanao ?

Ny fahombiazan'ny hafa anie ka tsy hifindra any aminao e!
Na dia hitsikera foana ianao dia tadidio fa iny olona nitsikerainao iny mety nandray tsikera nahafahana nampivoatra ny fiainany fa ianao mba ahoana ? Eo foana variana eo.

Mifantoha amin'ny anao fa aza variana loatra mijery ny an'olona izany.

Aza lany andro manontany ny fidiram-bolan'olona fa mifantoha amin'ny fidiram-bolnao.

Aza lany andro manontany hoe mpandraharaha izy na tsia fa ataovy izay hahalasa mpandraharaha anao raha izay no tanjonao.

Aza miasaloha akory hoe maro ny olona mpanao ny zavatra ataonao fa mifantoha amin'ny hoe inona no fanapahan-kevitra ho raisiko mba hampiova ny fiainako fa tsy hoe misy manao ny zavatra tianao hatao dia nijanona ianao.
Tsia, aza miasaloha zavatra maro fa raha fantatrao fotsiny hoe io no vahaolana hampiova ny fiainanao dia ataovy.



Maji Mizara

Ny sekoly no tokantrano faharoan'ny zaza, fa ny tokantrano kosa no sekoliny voalohany. Noho izany ; ny Ray sy ny Reny no...
29/03/2024

Ny sekoly no tokantrano faharoan'ny zaza, fa ny tokantrano kosa no sekoliny voalohany. Noho izany ; ny Ray sy ny Reny no mpanabe voalohany ny zanany .

Anisan'ireo toetra sarobidy indrindra takiana amin'ny mpanabe dia izy mampianatra amin'ny alalan'ny ohatra mazava.

Tsy inona fa izy mihitsy no ohatra voalohany jeren'ny zaza : manam- pitiavana ; mahitsy sy marina ; mahay miaina sy mahalala fomba ; mazoto sy mandray andraikitra.

Amin'ny alalan'ny oha-piainana tsara fa tsy amin'ny teny betsaka atao no mampahomby ny fanabeazana. Ny hazo no vanon- ko lakana, hoy ny fanoharana, dia ny tany naniriany no tsara.



Maji Mizara

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maji Mizara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Maji Mizara:

Videos

Share


Other Party Entertainment Services in Antananarivo

Show All