Anthurium by Hanitra.H

Anthurium by Hanitra.H ☘Tontolon'ny anthurium : Fifampizarana,torohevitra,varotra☘
Fb:Hanitra Harimalala(varotra anthurium)

Loko fotsy😍😍😍😍😍😍😍Tsindrio ny sary fa ho hitanao ao indray ny karazana loko fotsy.(Sary indrana ny sasany fa ialana tsiny...
03/02/2024

Loko fotsy😍😍😍😍😍😍😍
Tsindrio ny sary fa ho hitanao ao indray ny karazana loko fotsy.

(Sary indrana ny sasany fa ialana tsiny sary)

Cc daholo oh,tsindrio ny sary fa mipoitra ao indray ny karazana anarana sy loko noir,marron,grena🖤💚💗Bikabikao ao izay ef...
27/01/2024

Cc daholo oh,tsindrio ny sary fa mipoitra ao indray ny karazana anarana sy loko noir,marron,grena🖤💚💗
Bikabikao ao izay efa anananao😇🙂

Salama daholo oh😘🥀🌼🌻NY FAHAVARATRA SY NY ANTHURIUM 🌻🌼🥀Mahafinaritra ny zava-maniry rehefa fahavaratra toy izao🌷 ❤️Tena i...
08/11/2023

Salama daholo oh😘
🥀🌼🌻NY FAHAVARATRA SY NY ANTHURIUM 🌻🌼🥀

Mahafinaritra ny zava-maniry rehefa fahavaratra toy izao🌷

❤️Tena ilaina ny orana saingy tokony tsy maintsy asina tafo bararata na filet d'ombrage foana ny anthurium,asiana sachet transparent ihany rehefa be ny rotsak'orana.Orana manify no tena tiany.Raha tsy azon'ny orana ny anthurium dia aza adino ny mitaty ranon'orana ka iny no anondrahana azy.

💚 Vanimpotoana tena mety amin'ny fanaovana rempotage ihany koa izao.Mila soloina ny zezika rehefa hita fa lany tsiro na tsy mandray rano intsony.Ra ny tokony ho izy dia 6 mois eo.(spécial anthurium ny zezika ambolena azy : Terreau,tain'omby maina,mousse mbato na taimbankona ireo no afangaro*efa voaresaka ato )

🧡Rehefa misesy ny orana dia mora mamelana zareo fa rehefa tena mafana mamay be iny koa dia tokony pulverisena matetika ny ravina na somary fafazana rano kely ihany fa tsy zakany ilay mamay lotra,lasa may na misy aza lasa malazo.

💜Tsara tohizana ny vitamine,samy manana ny mety aminy fa ny tsapa aloha dia vitamine bio no tsara atao aminy,na ranona hoditra akondro lomana na hoditra tongolo,légumes... no atondraka amin'ny zareo isaky ny 15 andro,tsy atao mando loatra.

Izay ary aloha fa mirary soa antsika tia Voninkazo rehetra 🥀🌷🌻💐

Ireto indray ary oh,karazana anaran-dry kiala manja isany💚💚💚💚💚💚💚(Tsindrio ny sary)
27/07/2023

Ireto indray ary oh,karazana anaran-dry kiala manja isany💚💚💚💚💚💚💚
(Tsindrio ny sary)

🌺FIKARAKARANA ANTHURIUM🌺 Miharahaba oh🥰Famerenana kely fotsiny satria betsaka no efa mahay fa mbola misy ihany koa ny ma...
15/07/2023

🌺FIKARAKARANA ANTHURIUM🌺

Miharahaba oh🥰
Famerenana kely fotsiny satria betsaka no efa mahay fa mbola misy ihany koa ny manontany.

🥀Avy any amerika atsimo ary indrindra avy any kolombia izy ireny🥀

☘Karazany : Géant,moyen,mini(ngezabe,salantsalany,tena kely)

☘Pot ambolena azy : atao mifandraika amin'ny habean'ny voninkazo(pot plastique no tsara kokoa)

☘Zezika : fangaro somary maivana no tiany : terreau,mousse,tain'omby (misy namana mivarotra zezika tsara be efa voafangaro ato am fb.Mp)

☘ Toerana mety aminy :
✔Mazava ,mafana, tsy masoandro mivantana(asina tafo bararata) ilaina ihany koa ny amandoana mba apitombo,apivelatra,ampamony lava azy.

❌Tsy mety ny toerana mangatsiaka ,maloka loatra na tsara be aza ny zezika(horesahana manaraka ny mahakasika ity).

☘Fanondrahana azy:(Rehefa hita mainamaina somary tsapaina kely mihintsy)
-Vanim-potoana mafana : in-2 isan-kerinandro
-Ririnina : atsahatra kely fa tsy matetika,indray mandeha isakin’ny 10 andro ihany.
👉🏻Rano @ vovo atao matimaty no hanondrahana azy,raha robinet dia mila atanin'andro kely aloha vao anondrahana azy fa be calcaire.

☘Vitamine sy fanafody :
-Vitamine bio na chimique :
Tsara kokoa ra bio(ra notezaina chimique ka tiana ovaina bio dia esorina manontolo ilay zezika dia alona anaty ranona tain'omby ny voninkazo,apitso ambolena amin'ny zezika vaovao.(efa voaresaka ato ,raha hividy dia misy namana mivarotra vitamine bio ato @ fb🌿andefaso mp za😉🌿)
-Fanafody(efa voaresaka ato )

☘Fanoloana zezika : rehefa vanimpotoana mafana,soloina isan-taona ra mbola tanoranora,ra lehibe kosa dia azo soloina isaky ny 2 taona.Raha mipoitra ny fakany dia apina zezika.

☘Fanadiovana azy : sasana amin'ny savony nosy na savony gasy(efa voaresaka ato @ pejy)

☘Aretina : ravina mavo,misy pentina mainty,tsy maintso tsara.
Antony👉🏻 tsy mazaka atsiaka,zezika ratsy na masiaka,nifindra t@vonikazo hafa marary.
Noho izany👉🏻atokana ny toerany,esorina ny ravina marary,soloina ny zezika.

💥Fehiny,ny toerana asina azy sy ny tsiro atao aminy no tena mahatsara azy fa rehefa voafehinao ireo voalaza rehetra ireo dia hitanao fa tena mahafinaritra ny mitaiza anthurium💥

Izay ary aloha fa mahavanona daholo eh🌹☘izarao ny namana izay mbola tsy mahay🙂ary aza adino ny m'jaime ny pejy😘

🌹Karazana anarana anthurium rouge❤❤❤❤❤(Tsindrio ny sary fa mipoitra tsirairay ao ny anarany)mbola misy tsy tafiditra fa ...
13/07/2023

🌹Karazana anarana anthurium rouge❤❤❤❤❤
(Tsindrio ny sary fa mipoitra tsirairay ao ny anarany)mbola misy tsy tafiditra fa ireo aloha no fahita eto amitsika🌹
Bikabikao ao ary izay anananao e😘

Ataovy eo amin'ny commentaire  izay anthurium tinao indrindra mba iarahana mankafy❤ny ahy io cerise io🍒💗
12/07/2023

Ataovy eo amin'ny commentaire izay anthurium tinao indrindra mba iarahana mankafy❤ny ahy io cerise io🍒💗

Ravina anthurium inona ary io  io oh.Omeko zanany izay mahay azy voalohany indrindra❤ akotran'ilay efa pro😁😂🙈(Le sary 1 ...
11/07/2023

Ravina anthurium inona ary io io oh.Omeko zanany izay mahay azy voalohany indrindra❤ akotran'ilay efa pro😁😂🙈
(Le sary 1 tsisy idirany🙂)

Tsy azo atao ny kivikivy fa mila faharetana...tsisy fakany izy ity...nalona tao anaty rano,roa volana dia ireo ny faka n...
11/07/2023

Tsy azo atao ny kivikivy fa mila faharetana...tsisy fakany izy ity...nalona tao anaty rano,roa volana dia ireo ny faka nipoitra tao❤❤

☘Ireo karazana anarana violet💜💜💜💜💜💜💜Couleur tena be mpitia🤩(Tsindrio ny sary dia mipoitra tsirairay ny anarany ho an'iza...
10/07/2023

☘Ireo karazana anarana violet💜💜💜💜💜💜💜
Couleur tena be mpitia🤩
(Tsindrio ny sary dia mipoitra tsirairay ny anarany ho an'izay mbola tsy mahay)
Alefa manaraka ato ihany karazana loko hafa fa araho hatrany ny pejy😉❤

Coucou kely daholo ho antsika mpankafy voninkazo❤Torohevitra kely fotsiny ho an'izay vao anomboka hitaiza anthurium dia ...
10/05/2022

Coucou kely daholo ho antsika mpankafy voninkazo❤
Torohevitra kely fotsiny ho an'izay vao anomboka hitaiza anthurium dia aleo mba ho motivé kely isika,tsara ra samy ananana kely daholo aloha na zanany na vantony na ilay efa misy fleur.Tsy voatery oe tonga dia manana bdb fa atomboka tsikelikely aloha.
Tsara kokoa ra oe ilay zanany tsotsotra aloha no anombohana azy atao eo aminy 3 eo fotsiny aloha ohatra,
asina vantony eo am 3 ihany ko,
asina efa misy fleur otranizay ihany koa dia apitomboina tsikelikely.
Atao samihafa ny karazany ary atao milahatra ny toeran'ilay iray promotion,rehefa itanao fa mety aminao ilay izy dia manomboka mividy ilay karazany tsara na rare enao,ny couleur tsy mbola ananana sns.. dia anjaranao amzay sisa no manatevina sy manampy anzareo tsikeikely avy eo😊
Ho hitanao fa lasa mazoto enao avy eo..🥰🥰
Mazotoa daholo ary tompoko🌷

🍏GRAINE ANTHURIUM 🍏Ahoana ny fomba fambolena azy?👉🏻Rehefa masaka izy dia mibontsina (otran'ny katsaka)ary iny no alaina ...
13/04/2022

🍏GRAINE ANTHURIUM 🍏

Ahoana ny fomba fambolena azy?

👉🏻Rehefa masaka izy dia mibontsina (otran'ny katsaka)ary iny no alaina ka potserina dia fafana mba iala ny dintiny.
👉🏻Maka barquette na tapaka tavoahangy plastique ka asina lavaka ao ambaniny.
👉🏻Tsy asina zezika fa fasika no atao ambany ary mousse no ambony dia alahatra ny vonin'anthurium ka asina elanelana kely tsirairay avy.
👉🏻Saromana tsara(sachet transparent,na saronilay tavoangy notapahana,na fitaratra,..) mba tsy ho azony rivotra ary atao @ toerana mafana calme tsara tsy voaetsiketsika.
👉🏻Tsy tondrahana be fa ny vatan'ilay barquette no tondrahana mba ho tsemboka ary iny atsembohana ao anatiny iny no manondraka azy.

Mirary soa tompoko dia izarao ny namana izay mbola tsy mahay❤


Sary fanehoana

Salama daholo o🥰 🥀NY TONGOLO GASY🥀Ny tongolo gasy ihany koa dia afaka amonoina bibikely sy aretina amin'ny voninkazo ary...
13/04/2022

Salama daholo o🥰
🥀NY TONGOLO GASY🥀

Ny tongolo gasy ihany koa dia afaka amonoina bibikely sy aretina amin'ny voninkazo ary mandroaka kankana.(anthurium no resahana)

👉🏻Voasana ary mixena na totoina ny tongolo gasy.
👉🏻Ra iray sotro lehibe ny fatrany efa voatoto dia atao anaty rano 5 litres ka alona indray alina na 12 Ora.
👉🏻Tatavanina ilay ranona tongolo gasy vao azo ampiasaina ary mapiasa pulverisateur rehefa hamafy azy.
👉🏻Asina ny ravina,taho,ary ny tanin'ny zavamaniry izay misy bibikely na aretina.
Atao isakiny 10 andro ary azo tehirizina ny ambony.

Mazotoa daholo dia zarao ho an'ny namana tompoko❤

❌VONINKAZO MARARY❌Miarahaba tompoko🤚🏻Ireto no antony mahatonga ilay aretina.1-Misy aretina  avy amin'ny zezika  aniriany...
28/03/2022

❌VONINKAZO MARARY❌
Miarahaba tompoko🤚🏻

Ireto no antony mahatonga ilay aretina.

1-Misy aretina avy amin'ny zezika aniriany na ilay rano anondrahana azy no misy bacteries.

2-Mifindra avy amin'ny anthurium marary ihany koa.Fifampikasohana,pitidrano anondrahana azy,avy aminy fitaovana (hety,...),na avy amin'ny tanana.

3-Raha mavo ilay ravina dia marary na tsy mahazaka atsiaka na koa vao nafindra ,eo koa ny hoe ratsy ilay zezika na masiaka loatra.

Noho izany :
👉🏻Atokana ny voninkazo marary na arina ra tena marary
👉🏻Soloina ny zezika aniriany
👉🏻Esorina ny faritra marary amin'ny ravina mba tsy hitatra.Na ilay ravina marary mihintsy no esorina.

➡➡➡Ampiasaina ny fanafody(fongicide) na ilay vita amin'ny ranona tain'omby.Izay efa hitantsika ao ambany ao ny fomba fampiasa azy.

Izay angamba fa mazotoa daholo o🌷
Araho hatrany ny pejy.Jaimeo🙏🏻😉
(Sary fanehoana)

Salama daholo o🥰🥰🌿FOMBA FANADIOVANA ANTHURIUM🌿Mahafinaritra ery sady mahazo aina ny voninkazo rehefa avy diovina.☘Safoin...
28/03/2022

Salama daholo o🥰🥰
🌿FOMBA FANADIOVANA ANTHURIUM🌿

Mahafinaritra ery sady mahazo aina ny voninkazo rehefa avy diovina.

☘Safoina amin'ny eponge misy savony nosy na (savony gasy)avy eo kobanina tsara ny eponge dia safoina amin'iny indray mba iala tsara ny ranon-tsavony amin'ilay voninkazo.

☘Maka carbonate 1 sotro kely atao anaty rano 2 litre.Maka eponge de lemana amnio rano nasina carbonate io ka fafana moramora mba analana ireo bibikely miafina amin'ny ravina,taho,felany no sady mapangirana azy ihany koa.

☘Raha misy vovoka dia fafana moramora amin'ny lamba malefaka fotsiny.

Tandremana tsara ny voninkazo tsy ho rovitra.Tohanana moramora amin'ny tanana ao ambadika rehefa anadio azy.

Marihana fa tsy atao matetika fa in-2 isambolana eo ihany.

🌸Mazotoa daholo o🌸
(Sary fanehoana)

Salama daholo tompoko🥰🥰🌿TOROHEVITRA 🌿VITAMINE &FANAFODYRaha tsy te andany vola aminy resaka  vitamine sy fanafody atao @...
24/03/2022

Salama daholo tompoko🥰🥰
🌿TOROHEVITRA 🌿VITAMINE &FANAFODY
Raha tsy te andany vola aminy resaka vitamine sy fanafody atao @ anthurium isika dia misy fikafika hafa ihany koa tsotra kanefa mahomby🙂😉
Samy manana ny fampiasany moa ny tsirairay misy milaza fa mampiasa (ranona legume, ranona oditra tongolo, ranon'oditra akondro,..)
Fa misy ihany koa ny mampiasa taikafe sy ranona tain'omby izay hita fa sady manatsara ny voninkazo no mitsabo ny aretina ary mandroaka sy miaro amin'ny biby.

🍀Taikafe :Tsotra kely,rarahana taikafe efa maina 1 sotro kely ny fototra zana-boninkazo ary 1 sotro lehibe ra renim-bonikazo.Tondrahana kely dia vita chocolat😁
👉🏻Mahasolo ny vitamines ilaina ,manamasaka tany,mampamaintso,mampamelana,manome loko tsara ny fleur ny taikafe.Sady mandroaka kankana ihany koa.

🍀Tain'omby : potika tain'omby maina 1 kg alona anaty rano 10 litre,lomana mandritra ny 15 andro,aroaroina isaky ny 2andro.Tatavanina vao ampiasaina ka ra toa ka 1litre dia tapohana rano 2 litre dia otrizay hatrany(afaka tohizana fona fa soloina rehefa tsy mandrotra)
👉🏻Mapaniry voninkazo haingana,miamaintso ny ravina ary mitombo velarana,mihatsara ny fleur ary mihalehibe.Sady mitsabo ny aretina.
➡Atao isakiny 15 andro ny traitement

Horesahina amin'ny manaraka indray ny fomba fanadiovana ny anthurium☘
🌸Mazotoa mikarakara ary isika rehetra🌸
Arao hatrany ny pejy fa hisy torohevitra foana.Jaimeo😉🙂

Anaran'anthurium🥀Mbola maro tsy voatanisa fa alefatsika manaraka ihany.
23/03/2022

Anaran'anthurium🥀
Mbola maro tsy voatanisa fa alefatsika manaraka ihany.

Anaran'anthurium🥀
23/03/2022

Anaran'anthurium🥀

23/03/2022

Salama daholo o🥰🥰
🍀ZEZIKA ANTHURIUM🍀
Maro isika no manotany amin'ilay fangaro atao amin'ny zezika anthurium...samy manana ny maha mety azy aloha fa raha amin'ny ankapobeany dia ireto ny fangaro:
-Terreau 1 seau
-Potika tain'omby 1/2 seau
-Mousse ambato 1/4 seau
Ireo no afangaro tsara dia samy manana ny fanaony moa ao ny hoe lemana aloha ka afangaro tsara izay vao ambolena azy,ny tena mety dia rehefa voatsatoka izy zay vao tondrahana.Rehefa vita izay dia atao amin'ny toerana mazava misy afanana tsara,tsy atao directe amin'ny masoandro an...rehefa manondraka azy dia atao in2 isakerinandro eo iany..tsy atao mando be ny anthurium moa tsy atao maina loatra ihany koa.
Mbola tsy tara raha izao no manolo zezeka satria ho avy ny ririnina ka tsara ra amizao andro mafana izao no anaovana izany.

NB:Rehefa tsisy mousse dia afaka atao taimbankona(afaka apina fongeon,akofa ect)
🌷Mahavanona daholo isika tia voninkazo🌷
Horesahana manaraka indray ny momba ny vitamine sy ny fanafody.Manasa antsika anaraka sy ijaime ny pejy💓

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Anthurium by Hanitra.H posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category


Other Florists in Antananarivo

Show All