PREST'EVENT.mdg propose parmi ses activités la location de :
🔹 sonorisation complète,
🔹 lumière et effets spéciaux,
🔹 chapiteau,
🔹 table et chaise,
pour tout type d’événements privés comme les mariages ou les anniversaires.
🔴 N'hésitez pas à nous contacter ! 🔥
☎️ 0342916442
NOS PRESTATIONS POUR CONTRIBUER À RÉHAUSSER VOTRE PRESTIGE
Diboka hafaliana ny fo. Henika tokoa satria tanteraka araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra kinasa anio.
Takariva hafa kely, toa ny vola-Tantely, izay nisehon’i Mihanta voalohany indrindra an-tsehatra. Nitondrany tamin-kafaliana ary koa tam-panetre-tena ireo sangan’asa voalohany sy vaovao natolony ho antsika.
Hitondra azy lavitra anie ny lalana nofinidiny ny hanasoa hatrany ny kanto Malagasy eo amin’ny sehatry ny Kalo sy hira.
Ho Toa ny voninkazo iray nosoavin’ny andon’ny maraina ka mamony sy tena manana ny hanitry ny azy.
Tanora mpihira manana talenta nefa miasa sy miezaka hatrany ho voninahitry ny asa kanto Malagasy.
Koa fisaorana no atolotro anareo rehetra mpakafy ka nitondra tehaka sy jery feno fitiavana an’i Mihanta.
Takariva teo ambany fitantanana ary fanotronana avy amin’ny andrarezin’ny sehitry ny kanto Malagasy, Njakatiana, tonga ary nanome voninahitra an’i Mihanta sy ireo mpihira mpanaraka azy ary ireo mpitendry rehetra Izay sangany avokoa.
Misaotra anao Njakatiana nanome zavatra maro ary Tena kanto na amin’ny famoronana, na fomba fihira, ary indrindra ihany koa eo Amin’ ny fitendrena zava-maneno.
Misaotra anao koa Poon tonga nanome voninahitra izao takariva izao.
Feno Fitiavana sy fankasitrahana anareo izahay mirahalahy mpamorona Clem ( Randria José Narcisse ) sy ny tenako manokana.
G(i)aby